Maro dia maro tokoa ireo trangan-javatra miseho eo aminÕny fiainanÕny Malagasy, aminÕny vanimpotoana samihafa. Manana ny fomba amam-panaony ny Malagasy, isakÕireny trangan-javatra tsirairay ireny. Misy ny mitovitovy hatrany, nefa misy koa ny mampiavaka ny sasany. Nangonina ka noraiketina ao anatinÕity torohay ity ny fomba fanao sy ny fomba fiteninÕny Malagasy rehefa tojo ireny vanimpiainana ireny.